Politique

Kolontsain’ny famadihana palitao Maka faka amin’ny tanora manao politika


  • Alarobia 09 Desambra 2020

Nanao fanambarana tetsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina omaly ry zareo eo

 

 

anivon’ny Hetsiky ny mpifidy vaventy avy eny ifotony, izay ahitana mpifidy vaventy avy amin’ny firehana samihafa, raha ny nambaran’izy ireo. Tsy nety nanonona ireo antoko na fikambanana politika hafa ankoatran’ireo nitondra ny loko volomboasary tamin’ny fifidianana moa izy ireo. Ny fandraisana anjara amin’ny fifidianana sy fanohanana ny kandida avy amin’ny IRD ihany, hoy izy ireo, no antoky ny fampandrosoam-pirenena. Mikasika ny mety ho fanalan’ireo antoko misy anay noho ny fanapahankevitray, hoy ny tanora olom-boafidy iray nisolo tena azy ireo, dia tsarovy fa ny eny ifotony no mitady olona ka raha izahay eny ifotony indray no alana dia tadidio fa be dia be ny mandray avy eo. Tsikaritra ho efa maka faka amin’ireo tanora manao politika aty aoriana koa araka izany ny kolontsain’ny famadihana palitao ary mampametra-panontaniana hoe mbola mety hanana ny hoaviny ve izany etika sy deontolojia amin’ny fanaovana politika eto Madagasikara izany atsy ho atsy ? Tena faharesen-dahatra madiodio tokoa ve no nanosika ireto olom-boafidy ireto ?

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT