Omaly no nentina voalohany teny amin’ny Fitsarana ny kolonely Coutiti taorian’ny raharaha BANI Ivato. Reraka dia reraka ny tenany ary manjoko mihitsy ny fandehany. Tokony ho tamin’ny 10 ora maraina latsaka kely teo no nigadona teny Anosy ny fiara nitondra azy sy ny komandà Ratsiorimanana.
Voahodidina mpiandry fonja maro izy roalahy ireto miaraka amin’ny basy. Ny an’ireto manamboninahitra roa ireto no voalaza fa mamarana ny fihainoana voalohany an’ireo manamboninahitra teny amin’ny BANI tamin’ny 17 novambra. Tsy mbola miditra amin’ny fihainoana lalina, araka izany, ny zokiolon’ny mpitsara mpanao famotorana mikasika ity raharaha ity. Misy ny resaka mandeha amin’izao fotoana izao fa tsy misy miaramila intsony hofotorana mikasika ity raharaha ity fa mijanona eo amin’ireo izay voasambotra teny amin’ny BANI ihany ny resaka.
Toa manamarina izay ny nahafahan’ny profesora Raymond Ranjeva nivoaka any ivelany ny faran’ny herinandro teo. Io tsiliantsofina io dia nivoaka taorian’ny fihainoana ny jeneraly Ndriarijaona André tao amin’ny zokiolona amin’ny mpitsara mpanao famotorana, andro vitsy lasa izay. Araka ny fantatra ihany koa dia maneho ny alahelony amin’ny tranga teny amin’ny BANI ka nampidirana am-ponja ireo miaramila manamboninahitra voakasika amin’ity tranga ity ny Cemgam. Anisan’ny andraikitra raisiny ny tsy fanekena ny hikasihana miaramila hafa intsony amin’ity raharaha ity. Miseho lany sahady noho izany rehetra izany ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ireo miaramila be galona. Ho hita eo ny tohiny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.