Politique

Kolonely Charles Niala tamin’ny fahanginany


  • Alarobia 08 Desambra 2010

Ny sabotsy 20 novambra lasa teo no nisamboran’ny mpitandro ny filaminana ireo manamboninahitra nivondrona tao amin’ny Komity miaramila ho an’ny fanavotam-pirenena na ny CMSP, teny amin’ny BANI Ivato.

Hatramin’izao dia mbola miteraka resabe iny raharaha iny ary dia manao ranolava ny fanehoan-kevitra. Tamin'ity indray mitoraka ity dia ny lietna kolonely Charles Andrianasoavina izay mpitondra tenin’ny CMSP no naneho ny heviny an-taratasy. “Miely ny resaka hoe fandrika nentina hamandrihana mba hanamborana ny jeneraly Raoelina Jean Heriniaina no nidirako ho mpikambana mba hananganana ny Comite Militaire pour le Salut Public na ny CMSP. Laviko marindrano izany vaovao miely izany”, hoy ny lietnà kolonely Charles Andrianasoavina.

Araka ny fanazavany dia voafidy ho filoham-boninahitry ny Cercle de Réflexion Fitovinagny na ny CR7 hitarika ny fampihavanam-pirenena ny tenany. Ankoatra izay dia nambarany fa kitro ifaharan’ny fampihavanana ny foloalindahy ka zara aza, hoy izy, nahita sehatra hampisehoana izany fampihavanana izany dia ny CMSP. Teo am-pamaranana ilay taratasy dia nanambara ny lietna kolonely Charles fa “tena nifanarahanay rehetra ny hihavana sy hampihavana, ny foloalindahy mitarika ny hampihavanana ny Malagasy rehetra fa tsy sanatria nisy fandrika nataoko hahazoana ny jeneraly Raoelina Jean Heriniaina”, hoy ihany izy. Raha tsiahivina moa dia ny 17 novambra 2010 no nanao fanambarana tamin’ny haino aman-jery teto an-drenivohitra ny CMSP nilaza fa ravana ny FAT, ary dia ny foloalindahy no hitantana ny firenena ao anaty fotoana voafetra mandra-pahita izay sivily ifanarahan’ny rehetra fa hitondra. Fiokoana moa no nandikan’ny FAT izany ary dia nisy ny fanafihana ny BANI ny tolakandron’ny sabotsy 20 novambra 2010 na dia nifanarahan’ny rehetra aza fa hovahana amin’ny alalan’ny fifampiraharahana fa tsy hifampitifitra ny samy foloalindahy. Nanomboka teo dia nalefa teny Tsiafahy sy Antanimora avokoa ireo manamboninahitra 16 lahy voakasika mivantana tamin’iny raharaha BANI iny.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT