Governemanta mipasoka daomy io najoron’ny Fitondram-panjakana ankehitriny io raha araka ny fanazavan’i Kohen Rivolala, filohan’ny antoko politika Ctic Ctac Dou no sady filohan’ny fiangonana Jodaisma Hebraika etsy Ambanilalana Itaosy.
Tsy misy ny tena fanovana fa ny teo ihany no teo hoy hatrany izy. Governemanta kitrano an-trano raha izay no ilazana azy hoy hatrany izy, ny tatsy ihany no hafindra atsy, ny aroa ihany hafindra atsy. Raha nahomby ny governemanta teo aloha hoy hatrany Kohen Rivolala dia mahomby io governemanta mijoro izao io. Midoika izany hoy hatrany izy fa tsy misy na inona na inona azo antenaina amin’io governemanta vaovao io fa natao hiandrasana sezan’ny filoham-pirenena amin’ny taona 2023 fotsiny ny fisiany eo. Mbola vokatry ny ota fady nataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina avokoa no mahatonga izao olana rehetra mitranga eto amin’ny firenena izao hoy hatrany Kohen Rivolala. Tsy mety afaka olana no sady tsy sahy manala ireo ministra tena namany na dia efa hita aza ny fahadisoan’izy ireo. Tsy mivoana amin’ny faminaniana efa nolazaiko hoy izy ny zava-misy eto amin’ny firenena toy ny krizy izay tsy maintsy holalovan’ny firenena ary tena krizy mafibe tokoa. Efa hiaraha-mahita sy mahalala hoy hatrany izy ny haintany, ny tondra-drano, ny loza voajanahary mihatra eto amin’ny tany sy ny firenena…izay mbola hitohy hatrany raha tsy miova amin’ny heviny ny filoha. Nomarihin’i Kohen Rivolala moa fa raha mbola io governemanta io maka ny double 6 amin’ny daomy io no andrasana hanarina ny firenena dia tena ho very tanteraka isika. Ilaina ny 1 sy 5 hoy hatrany izy na dia tsy akamakama aza fa mahay sy mahavita zavatra.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.