Politique

KMFB Ravalo ihany, Ravalo hatrany


  • Alatsinainy 08 Oktobra 2012

Legalista tsy niala vehana tamin’ny fikatsahana ny hamerenana an’i Madagasikara amin’ny ara-dalàna ny Komity Miaro ny Fiainam-Bahoaka na ny KMFB.

 Ny vahoaka ifotony, raha ny fanazavana no sehatra ikatrohan’ity fikambanana ity dia ny eny amin’ny Fokontany, Kaominina ary Faritra. Miatrika ny olam-piainam-bahoaka ny KMFB ary manaitra ny vahoaka amin’ny zava-misy sy ny tolona tokony hatrehina. Ho an’ny KMFB dia nidiran’atambo ny fiainam-bahoaka ifotony, tsy an-tanàn-dehibe ihany fa hatrany ambanivohitra noho ny afitsok’ireo mpandrombaka fahefana. Manjaka ny dahalo, hoy ny KMFB fa ilaozan’ny foloalindahy mikendry harena malaky amin’ny alalan’ny fanaovana politika, hany ka mihanjaka tsy misy mpiaro ny aina sy ny fananana. Ana hetsiny koa ireo very asa ary koa rombahin’ny olona hatramin’ny tany onenana. Ho an’ny KMFB dia tsy mahavanom-pitondrana ny mpanongam-panjakana ka ifikirany ny foto-kevitra fa tsy hisy fitoniana sy fampandrosoana vanona raha mbola misy ny fanilikilihana politika sy ny fisakanana ireo sesitany politika tsy hody an-tanindrazana hitondra ny anjara biriky ho amin’ny fiainam-pirenena, anisan’izany i Marc Ravalomanana.

Anjaran’ny KMFB moa ny nanafana ny Kianjan’ny Magro ny sabotsy lasa teo. Ankoatra ny fahamaroan’ny olona tonga teny an-toerana dia niavaka ihany koa ny nisiana karazana fampirantiana sary maneho ny lalana nizoran’ny tolona, teo koa ny fizarana ny gazety manokana antsoina hoe : Fanorina. Anterin’ity vondrona ity fa ny fodian’ny filoha Marc Ravalomanana sy ny filatsahany hofidiana ary ny fahalaniany no antoka hahatsara ny fiainam-bahoaka ary dia tolona isam-baravarana no atao amin’izany. Tsy eken’ny fikambanana, araka izany, izay paipaika rehetra hanemorana io fotoana io na avy aiza na avy aiza sy ny fanatanterahana fifidianana mialoha ny hahatongavan-dRavalomanana eto an-tanindrazana.

 

Soa

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT