Manoloana ny adihevitra nateraky ny fampiasana ny COVID Organics dia nanambara ny KMF/CNOE na komity manara-maso ny fiainam-pirenena fa ny
andininy faha 8 ao amin’ny Lalàmpanorenana dia milaza fa voarara ny manery olona iray hanaovana andrana ara-pitsaboana na ara-tsiansa raha tsy nahazoana ny fanekeny malalaka. Noho izany, amin’ny maha « observation clinique » azy dia tsy azo ekena ny fanerena ny Mpianatra hisotro ny Covid Organics fa tokony hatao an-tsitrapo izany ka ny Raiamandreny any antokantrano no mandray fanapahan-kevitra momba izany sady izy ireo ihany koa no mahafantatra ny toe-pahasalaman’ny zanany sy ny fanafody izay tsy zakany. Aoka atsahatra tanteraka, hoy ny KMF/CNOE ireo fanambarana maka endrika serasera politika manodidina ity Covid-Organics ity, na avy amin’ny Fitondràna izany na avy amin’ireo milaza ho Mpanohitra ny Fitondràna fa lasa takon’ny serasera politika tanteraka ny serasera medikaly. Laharam-pahamehana ny famonjena ny Malagasy hahafahan'ny Olompirenena manohy ny fiainany andavanandro ao anaty fitoniana. Miangavy ireo manam-pahaizana ara-pitsaboana rehetra eto an-toerana, ireo mpanao fikarohana rehetra hiara-hipetraka an-databatra boribory, hifampidinika ho amina fehin-kevitra iray izay tsy mitsinjo hafa afa-tsy ny ain'ny malagasy. Aoka ajanona ny kajikajy samihafa, hoy izy ireo, fa ny adi-hevitra ara-medikaly no aoka hibahan-toerana. takiana ny fampiharana ny lalàna manankery eto amintsika dia ny fehezan-dalàna momba ny Fahasalamam-bahoaka (Loi n°2011-002 portant Code de la Santé du 15 juillet 2011), na eo amin’ny fikarohana izany na eo amin’ny famokarana, na eo amin’ny fivarotana, indrindra ny eo amin’ny fampiasana azy mba tsy ho gaboraraka fa hanaja ny fenitra voalazan’ny lalàna. Tohizana ny fepetra fiarovana rehetra, hoy ny KMF/CNOE.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.