Taorian`ny fandoroana fokontany iray manontolo tany Ambohimiera sy Ifanadiana, ny asan-dahalo izay namoizana ain`olona tany Ambohimahasoa Isandra, tapa-bolana lasa izay, dia namoaka fanambarana ny fiarahamonim-pirenena KMF-CNOE
fa voalaza ao anatin`ny lalàmpanorenana andininy faha-8 andalana voalohany sy faharoa ny fananan`ny olona rehetra ny zo hiaina, tsy azo ampahoriana, saziana na ampijaliana amin`ny fomba tafahoatra sy tsy mendritra manetry ny maha olombelona. Tsiahivin`izy ireo ao anatin`ny fanambarana fa zava-dehibe ny fanajana ny zon`olombelona izay miantoka ny fitandroana ny fiarovana ny ain`olona, araka ny voalazan`ny savaranonandon`ny lalàmpanorenana. Mila averina kosa eto Madagasikara ny fanajana ny zon`olombelona izay saika notsinontsinoavina. Nohamafisiny fa hita sy tsapa ny fandraisana andraikitra ataon`ny tompon`andraikitry ny fiarovam-pirenena saingy tsy tokony ho izy ireo irery ihany no hifototra amin`ny tsy fandriampahalemana. Mila mandray andraikitra ny rehetra fa tsy hiandry fotsiny ihany ny fitondram-panjakana. Mitaky izy ireo amin`ny fampandraisana andraikitra isaky ny ambaratonga mba hitandroana ny filaminana izay antoky ny fampandrosoana. Manao antso avo amin`ny vahoaka Malagasy mba tsy hatao fitaovana fanakorontanana, indrindra amin`ny fiandrasana ny vokatra fifidianana solombavambahoaka.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.