Namoaka fanambarana ny Komity Mpanara-maso ny Fianam-pirenena na ny KMF /CNOE omaly.
Hogiazana ve sa hampisitrahana ny zony ireo Kaominina tsy mbola manana mpifidy vaventy amin’ity fifidianana loholona teren-ko masaka ity ? hoy izy ireo. Nampahatsiahy ny KMF/CNOE fa madiva hifarana ny toe-piasan’io andrim-panjakana mpanao lalàna eto amintsika io, ary rariny loatra raha miomana sahady amin’ny fikarakarana fifidianana izay ho solony. Ho fanarahana sy fanajana ny fenitra ara-demokratika, dia mitaky ny fanatanterahana ireo fepetra iry Firaisamonim-pirenena ity. Ao anatin’izany ny famoahana ny valin’ireo fitoriana tamin’ny fifidianana kaominaly ny 27 novambra 2019 farany teo satria efa mihoatra loatra ny fe-potoana voalazan’ny lalàna ; ny fanatanterahana ireo fifidianana tokony haverina sy ireo izay mbola tsy nahavita ny fifidianana mihitsy mba hahafahan’ireo kaominina ireo hisitraka ny zony avy ahafahany hifidy. Aoka tsy hirtorotoana ny fanatanterahana ny fifidianana raha tsy feno ireo fepetra ireo satria ny volana mey 2021 vao tena hiditra hiasa ireo parlemantera vaovao, hoy ny fanambarana. Tsy nisalasala ny KMF/CNOE naneho fa voahosihosy indray amin’izao fifidianana loholona izao ny zon’ny mpifidy vaventy eny anivon’ny Faritra sy ny Faritany, kanefa solontenan’ny vondrom-bahoaka hitsinjaram-pahefana no hofidiana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.