Nametraka ny ahiahiny mikasika ny mety hahafatesan’ny demokrasia eto
Madagasikara ka hampahazo vahana ny fanjakan’olon-tokana ny KMF-CNOE raha nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly. Raha ireo mpifidy lehibe izay heverina ho mahalala tsara ny politika ary olom-boafidy ihany koa mantsy no tsy resy lahatra amin’ny fifidianana sy ny raharaha politika hoy izy ireo dia ahoana ny amin’ireo olom-pirenena tsotra ? Noho ny fidinan’ny tahan’ny fandraisan’anjaran’ny mpifidy tamin’ity taona ity no nanosika azy ireo hiteny izany. Tamin’ny taona 2015 ohatra dia nahatratra 95,70 % ny tahan’ny fandraisan’anjaran’ny mpifidy. Nidina ho 93,31 % izany tamin’ity taona 2020 ity. Midoika izany hoy ny KMF CNOE fa maro tamin’ireo mpifidy lehibe no tsy resy lahatra tamin’iny fifidianana loholona notanterahina farany teo iny. Ny KMF-CNOE rahateo hoy izy tao anatin’ny lalan-tsain’ilay fangatahana fanafoanana ny fifidianana nalefa teny amin’ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenana dia efa nikasa ny hisoroka sahady izany tranga izany saingy tratran’ilay didy tsy azo hivalozana. Miantso ny fahatsapan-tena sy ny fandraisana andraikitry ny mpisehatra ara-politika rehetra araka izany izy ireo. Notsiahivin’izy ireo moa fa vokatry ny havitsian’ny antoko politika nandray anjara tamin’ireo fifidianana nifandimby no mitarika ny fahaverezan’ny antom-pisian’izy ireo sy mampitontongana ny hasin’izy ireo eo anatrehan’ny olom-pirenena.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.