Politique

Kly Charles Tsy azo vangiana ao Tsiafahy


  • Alatsinainy 29 Novambra 2010


Niveri-maina ny havany tonga eto an-drenivohitra, raha nanantena ny mba hifanatri-tava amin’ny lietnà-kolonely Charles Andrianasoavina tao Tsiafahy raha namangy azy ireo tany izy ireo omaly alahady. Taratasy sisa ifanaovana ary ankarihary avokoa izany fa tsy azo afenimpenina. Araka ny fantatra dia voasokajy ho miaramila mampidi-doza ity manamboninahitra nafana fo tamin’ny fametrahana izao fitondran’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita izao ity, saingy dia fonja sisa herintaona sy tapany aty aoriana no tambiny ho azy. Mazava fa dia tohina ihany ny fon’ny fianakaviany eo anatrehan’ny toe-draharaha. Toy izany koa ireo miaramila sasany iray andiany, faha-19, aminy tao amin’ny Akademia Antsirabe, ireo mpitandro ny filaminana iray fiaviana aminy avy amin’iny Vatovavy Fitovinany iny. Ankoatra ny lietnà-kolonely Charles Andrianasoavina dia tanana am-ponja vonjimaika ao Tsiafahy ihany koa ny jeneraly Rakotonandrasana Noël sy manamboninahitra enina hafa, voasambotra tao amin’ny BANI Ivato ny sabotsy 20 novambra 2010.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT