Politique

Kly Charles Andrianasoavina Manamafy amin’ny «vidéo» ireo ampamoaka nataony


  • Alatsinainy 03 Desambra 2012

Tantara mitohy !

 Taorian’ny ampamoaka nataony tao amin’ny Lapan’ny fitsarana tamin’ny desambra 2010, raha iny hiatrika fakana am-bavany azy, narahin’ireo filazana tsiambaratelo nataony an-taratasy izay niparitaka eran’izao tontolo izao dia miparitaka eny amin’ny Internet nanomboka ny 01 desambra 2012 teo koa izao ny «vidéo» ahitana mivantana ny lietna-kolonely  Charles Andrianasoavina, izay manamafy indray fa tena fanonganam-panjakana no niseho teto tamin’ny 2009.

Tamin’ny 10 novambra 2012 no nandraisam-peo sy sary azy izay maharitra ora dimy be izao, itantarany ny zava-miafin’ny raharaha 26 janoary 2009, 7 febroary 2009, ny BANI 2010, ny zava-nitranga tany am-ponja nitazonana azy ka hatramin’izao izy mitsabo tena any La Réunion amin’izao. Amin’ny ankapobeny dia fanamafisana ireo fanambarana efa nataony, miampy fibabohana sy fifonana ary koa antso fanampiana no votoatiny. Mampiseho amin’ny alalan’io «vidéo» io ny lietna-kolonely  Charles Andrianasoavina fa tsy hihemotra izy hanambara ny “marina” na eo aza ny tsindry sy teritery na koa fanambazana azy.

Nangonin’i Britto

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT