Niala tao Toamasina nihazo ny renivohitra ny alin’ny alahady 16 jona sy ny alatsinainy mangiran-dratsy teo ny fiara tsy mataho-dalana na 4x4 marika Nissan Navara miisa 117 ary misy fiara hafa manodidina ny 20 eo ho eo ihany koa, raha ny loharanom-baovao iray.
Ny fanjakana Malagasy no nanafatra an’ireo, raha araka ny fantatra ary re fa mety ireo fiara ireo no atolotra ny mpitandro filaminana. Efa natao takelaka mena avokoa izy ireo, raha ny vaovao azo hatrany. Tsy misy fampitam-baovao ofisialy aloha hatry ny omaly hariva hoe tonga ny fiara fa hatao “surprise” hanapena-maso ny vahoaka sy hakana ny fon’ny manana basy tokoa angamba. Tsara ary tena ilaina ny fampitaovana ny mpitandro ny filaminana mba hahafahany manatontosa an-tsakany sy an-davany ny asany dia ny hiaro ny vahoaka sy ny fananany. Na izany aza, dia misy zavatra tsy mangarahara toy ny efa natao tamin’ny fampidirana ireo fiara tsy laitram-bala, ireo angidimby mbola mitondra laharana Afrikanina Tatsimo, fiaramanidina, ity resaka ity… Manodidina ny 35 000 Euros (140 000 000Ar) ny vidin’ny iray amin’ny Nissan Navara, ka raha ireo 117 dia manodidina ny 16 380 000 000 Ar ny vidiny. Tsy voasoratra any anaty tetibolam-panjakana ny fividianana ireo fiara. Vola avy aiza ary ? Raha fanomezana avy amina mpiara-miombon’antoka indray dia inona no tambiny ? Efa nisy ihany mantsy ny tantara be naterak’ireo fiara tsy mataho-dalana miisa 300 an’ny kandida Camille Vital tamin’ny taona 2013 izay tsy nazava tsara ny momba azy fa dia nosarontsaronana fotsiny avy teny .
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.