Ny 14 oktobra izao izany no hanokanan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny tsangam-bato tandindona hoenti-mametraka ny anaran’ny Kianjan’ny Demokrasia hitondra ny anaran’ny Pr Zafy Albert.
Ity kianja ity, izay ny 2009 no nanokafana azy tamina hetsika politika sy nanomezan’i Andry Rajoelina ilay anarana hoe: “Kianjan’ny Demokrasia”. Vao tonga teo amin’ny fitondrana ny Filohan’ny tetezamita tamin’izany, dia natao andrimaso tamin’ny basy aman-tafondro, tsy navela nidirana. Isan’ny tratran’izany ny mpomba sy mpanohana an’I Marc Ravalomanana. Ny tena loza, dia dia ny taona 2012 dia nanapa-kevitra hidina eo amin’ny Kianjan’ny Demokrasia hitondra fanazavana ho an’ny mponina teto Antananarivo momba ny toe-draharaham-pirenena ny Pr Zafy Albert. Basy aman-tafondro sy lakrimozenina no niandry azy, ary jenjina baomba mandatsa-dranomaso ny Filoha teo aloha Zafy Albert. Ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena ankehitriny Atoa Jeneraly Ravalomanana no isan’ny nitarika ny hetsika ara-miaramila tamin’ireny andron’ny tetezamita ireny. Tsy navela niditra tao amin’ny Kianjan’ny demokrasia, fa teny Anosy dia efa voadaroka lakrimozenina. Efa lasan-ko razana izy, izay tsy navela niditra tao, fa ny anarany izany no hampiasaina na koa ny sarivongany no haiditra ao. Herisetra no nahazo ilay Rain’ny demokrasia, ary efa maty izany vao ramalala? Tsy adino ny raharaha famoriam-bahoaka nanaovana fitaritahiana sanatria tahaka ny biby ny kadinda Filoham-pirenena Laza Razafiarison teny Ambohijatovo ny jolay 2013, ary nadoboka vonjimaika teny Antanimora. Ankehitriny, fito volana izao no nialokalofana tao anaty hamehana ara-pahasalamana, izay toa efa mivadika hamehana ara-politika. Raikitra ny an-kisambotra sy fanagadrana ireo tsy mitovy hevitra. Asa izany tokoa angamba no antsoina hoe: demokrasia manara-penitra ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.