Politique

Kianja Masoandro Nody fanina ny Filoha


  • Alarobia 04 Novambra 2020

Nanamafy Ny Filoha ankehitriny, fa hotokanana ny 06 novambra izao ny asa fanarenana eny Anatirova, ary nambara fa ho avy ny Raiamandreny sy ny solontena ara-drazana manerana ny Nosy.

 

 

Very ny fiandrianam-pirenena rehefa nanangan-tsaina resy ny Malagasy tamin’ny 1895, ary may ny Rova 1995 zato taona taty aoriana, ka 25 taona aty aorian’izy dia hotokanana sy hatolotra ara-pomba ofisialy ny asa fanarenana, hoy ny Filoha. Tsiahivina moa fa ny 6 aogositra 1896 no nambara fa lasa zanan-tany Frantsay I Madagasikara. Nambara fa nandefa taratasy tany amin’ny Filoha Frantsay izy, ary haverina eto Madagasikara satroboninahitra ny tantaram-piandrianan’ny Mpanjakavavy Ranavalona III nalaina ny taona 1897 sy naranty tany amin’ny Mozean’ny tafika Frantsay, ary ho tonga eto amin’ny alakamisy 05 novambra izao. 123 taona no nesorina teto amin’ny Firenena tsy nisy nitaky, ka nanoratra taratasy tany amin’ny Filoha Frantsay ny tenako amin’ny maha marika ny fiandrianam-pirenena izany, hoy Rajoelina. Nitaky ny famerenana izany satro-boninahitra ny tantaram-piandrianan’ny Mpanjakavavy Ranavalona III. Noho ny ezaky ny Minisitry ny Kolontsaina sy ny fifampiresahana tamin’ny Minisitry ny fiarovana Frantsay, dia haverina izany. Amin’ny alakamisy ny 5 novambra, dia hotafaverina eto Madagasikara io, ary horaisina an-kafaliana sy horaisina am-pitiavana, hoy ny fanambarana.

TSY NISY RESAKA KIANJA MASOANDRO

Aty amin’ny 2020, 25 taona katroka aty aorian’ny 06 novambra 1995, dia vita ny fanarenana, vita ny fanarenana ny Lapa Manjakamiadana sy Besakana, izay efa lasa lavenonana no natsangantsika indray, hoy Rajoelina. Tsy niresaka momba ny “colisée” na ny Kianja Masoandro mihitsy ny Filoha, izay mahagaga ihany. Io anefa no isan’ny miteraka adihevitra sy tsy fifankahazoan-kevitra goavana indrindra. Inona no antony tsy nahasahiany namaly kanefa ny Lehiben’ny Taranaky ny Andriana nilaza fa tsy maintsy esorina ao io ?

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT