Ny tsara indrindra angamba dia ny fananganana ny « commission d’enquête parlementaire »
na vaomiera mpanao fanadihadiana hitambaran’ny parlemanta roa tonta, hoy ny depiote Honoré Rasolonjatovo , filoha lefitry ny antenimieram-pirenena ho an’ny faritanin’Antananarivo. Anton’izany ny fanaovana fanadihadiana ny amin’ny antontan’isa nomen’ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny CENI, sy ny mahakasika ny resaka « doublon » amin’ny laharan-kara-panondro miteraka resabe amin’izao fotoana. Izay ihany, hoy izy no hahafantarana ny marina sy mety hampisinda ny ahiahy.
Legende : Honoré Rasolonjatovo , filoha lefitry ny antenimieram-pirenena
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.