Nandritra ny fandalovan’ny filoham-pirenena Malagasy Atoa Andry Nirina Rajoelina tany Toamasina ny alahady 26 mey lasa teo, no nilazany fa mila jerena manokana ny kaominin’i Toamasina
renivohitra fa be loatra ny gaboraraka sy ny fanodinkodinam-bola ary ny kolikoly ao anatiny. Tsy azo leferina izany fa tsy maintsy hanenjika hatramin’ny farany ny fanjakana, hoy izy. Araka ny didim-pitondrana laharana 11.132 navoakan’ny minisiteran’ny atitany ny zoma 31 mey lasa teo dia naato tamin’ny asany tsy ho ben’ny tanàna intsony Ratsiraka Elysée. Ny sabotsy 01 jona tolakandro no nampahalalana izany tao amin’ny lapan’ny tanàna, tamin’ny alalan’ny prefen’i Toamasina Benandrasana Cyrille. Voatendry koa ireo filohan’ny delegasionina manokana, PDS, vaovao ka Atoa Razafimanana Christain izay filohan’ny mpanolotsain’ny kaominina no mpitarika. Ny dokotera Celestine Marie Razafiarisoa sy Atoa Toto Jean ( tsy mbola teo) nandritra ny fampahalalana azy ireo ny sabotsy tolakandro teo no lefitra voalohany sy faharoa. Tamin’ny lahateny fohy nataon’ny PDS vaovao tamin’ireo mpiasa sy ny vahoakan’i Toamasina dia hisy ny fanovana manomboka izao. Ny tanjona dia tena ho kapitaly ekonomika amin’izay i Toamasina na amin’ny lafiny fahadiovana na fandrosoana ary ny fandoavana ny karama tsy voaloa ho an’ireo mpiasan’ny kaominina mialoha ny 26 jona ho avy izao.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.