Mahatsiaro tena ho zanak`ikala hafa ihany ny kaominina ambonivohitra Betafo amin` izao,
hoy ny ben` ny tanàna Livasoa Randriantahianamalala. “Ny kaominina rehetra manamorona ny lalàm-pirenena dia nomena jiro “cobra” afa-tsy i Betafo. Raha miainga avy aty Antananarivo mankany Antsirabe dia mirehitra daholo ny jiro toa any Miandrivazo, Malaimbandy… misitraka izany saingy i Betafo tsy mahazo” hoy izy. Ankoatra izay, misitraka “camion benne” ireo kaominina maro afa-tsy I Betafo hatreto, araka ny nambarany. Nanao tatitra fohy ny zava-bita tamin` ireo asa vitany hatrany ny ben` ny tanàna Livasoa Randriantahianamalala, ka teboka miisa dimy no navoitrany. “Voalohany dia ny fanalàna ny fakobe teo an-tanàna. In-45 nivezivezy ny kamio nitatitra ireo fako. Faharoa, nametraka fitondrana tsara tantana tao amin` ny Kaominina ny tenako. Taloha rehefa hanao kopia ny vahoaka dia eny ivelany no manao “impression”. Amin` izao, misy fitaovana ao amin` ny kaominina ahafahana mamoaka ireo antontan-taratasy amin` ny fotoana ilàna azy. Fahatelo, hisy ny fananganana EPP ka amin` ny herinandro ambony ny fametrahana vato fototra ka mpianatra 140 isa no hisitraka izany rehefa vita. Amin` ny herin` ny kaominina manokana ny fananganana io sekoly fa tsy misy mpamatsy vola. Fahaefatra, ny fanaingonana ny tanàna: amin` ny 15 desambra ny fametrahana ny “jet d`eau” sy ny podium eo antampon-tanàna. Tsy ho azo atao intsony ny fikitihana ny kianja monisipaly izay ho lasa manara-penitra ka izao nametraka ny “podium” ahafahana mandray fety izao. Farany dia ny herinaratra hanazava ny tanàna: andrin-jiro 40 isa no nizaran` ny kaominina any amin` ireo fokontany 13 hisorohana ny tsy fandriampahalemana. Fokontany 7 amin` izy ireo kosa dia andrin-jiro amin` ny alalan` ny amin` ny herinaratra azo avy amin` ny Masoandro” hoy ihany izy. Na dia izany aza, azo lazaina ho fahombiazana ihany ny fitantanana ny kaominina Betafo tao anaty sivy volana na dia tsy nieritreretina ny resaka Covid-19, hoy hatrany ity ben` ny tanàna voafidy avy amin` ny antoko Tia Tanindrazana ity.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.