Politique

Kaominin’Antsiranana “Nanjavona ny volan’ny CLD”


  • Talata 19 Jolay 2022

Volan’ny CLD tokony nanaovana fampandrosoana ny kaominin’Antsiranana nomena ny depiote iray voafidy tao an-toerana no nanjavona,

hoy ny fampitam-baovaon’ny mpampaneno lakolosy anaty tambazotran-tserasera, Fernand Cello. nanomboka ny taona 2016 no tsy nisitraka izany ny kaominina fa fausse facture na faktiora sandoka no nataon’ny solombavambahoakan’Antsiranana I, hoy ny ben’ny tanàna, Djavojozara Jean Luc. Ampodiano amin’ny kaominin’Antsiranana ny vola 298 tapitrisa Ariary, hoy ny nambaran’ny “inspection d’état” na fitsiriham-panjakana nandeha amin’ny filoham-pirenena izay nandeha amin’ny governemanta ary nandeha any amin’ny fitsarana any, hoy hatrany ity fampitam-baovao ity. Isika eto amin’ny kaominin’Antsiranana mbola nisitraka an’io CLD io nanomboka 2016 ka hatram izao. Nankaiza ny vola 2018 vao henonay tamin’ny vavan’ny depiote hoe volan’ny CLD nanaovana an’ity. Inona no hidiranao amin’io, hoy hatrany ny ben’ny tanana, araka ny nitateran’ity mpampaneno lakolosy ity ny teniny. Avoahay ny marina, inona no antony hamoahana vola rehetra io nefa tsy misy asa vita Ny 2017 efa mazava ao ny taratasy rehetra. Izahay tato natao sary. Nandray “100 photos photovoltaïque”, taiza no nandraisanay izany zavatra izany Lisea nolazaina fa nahazo solosaina miisa 40 nefa nilaza taminay fa tsy nandray izany. Faktiora fosika kay ilay izy. Inoana fa ambany lalana ny rehetra, hoy hatrany ity tati-baovao voaray ity.

J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT