Politique

Kaominin’Antananarivo renivohitra Kasaina esorina ireo mpanolontsaina manohitra


  • Talata 24 Aogositra 2021

Manoloana ny fikasana hanala ireo mpanolontsain’ny tanana miisa 10 eo anivon’ny kaominin’Antananarivo renivohitra, 8 avy amin’ny antoko politika Tiako I Madagasikara, 1 avy amin’ny Komba, 1 avy amin’ny IRK,

 izay nanaovan’ny avy eo anivon’ny prefektioran’Antananarivo fangatahana fanesorana sy fanoloana miantefa amin’ny fitsarana misahana izany na ny “tribunal administratif” omaly dia nitondra fanazavana ny tsy mampitombona ity fangatahana ity ireo mpanolontsaina mpanohitra eo anivon’ny KAR. Ny 2 hatramin’ny 4 jona izahay, hoy izy ireo, no nantsoina hivory. In-dray mandeha isam-bolana anatin’ny 3 andro no voafaritry ny lalana fa azon’ny filankevitry ny tanana hivoriana. Fivoriana tsy ara-potoana io. Ny 11 jona dia nahazo fampiantsoana fivoriana tsy ara-potoana “fanampiny” indray izahay. 1 andro handinihana mikasika ny tetibola nasiam-panitsiana. Tamin’io fotoana io ihany izahay dia efa namaly fa tsy araky ny lalàna io fivoriana io ary tsy hanatrika izany izahay. Nanolo-kevitra kosa izahay hoe ataovy amin’ny volana jolay ilay izy. Tsy nisy fivoriana na in-dray mandeha aza izahay ny volana may iray manontolo. Izany hoe azony nampidirina volana may io lahadinika io, hoy hatrany izy ireo. Kasaina hesorina ireo mpanolontsaina manohitra ny fomba fitantanana tsy mety eo anivon’ny fiadidiana ny tananan’Antananarivo nefa efa vitsy an’isa, hoy hatrany izy ireo. Mangataka ny tolo-tanan’ireo mponin’Antananarivo hiadiana amin’ny tsy rariny moa izy ireo ka nanao antsoavo ny amin’ny mba handrotsahan’ireo mponina na dia 500 ariary aza hifanampiana hakana mpisolovava ao anatin’izao raharaha izao.


Na dia tsy mbola nisy anarana nivoaka mazava aza moa, ny mpanara-baovao politika dia mahita fa Rtoa Clémence Raharinirina sy Toavina Ralambomahay dia anisan’ireo mpanolontsain’ny tanàna tiana esorina noho izy ireo tsy mtsitsy fitenenana milaza ny tsy mety amin’ny fitantanana, ts ny kaominin’Antananarivo renivohitra irery ihany fa ny fitantanana ny firenena mihitsy.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT