Tonga teny amin’ny Biraon’ny Prefektiora tetsy Tsimbazaza haka ny valiny an-taratasy nataony tamin’ny Prefe Jeneraly Ravelonirina Angelo Christian ny mpanolotsaina monisipalin’ny Kaominina Antananarivo avy amin’ny TIM omaly.
Setriny teo anatrehan’ny fakan-kevitra nataon’izy ireo amin’ny maha ara-dalàna na tsia ny fihetsiky ny ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina amin’ny fandraisany fanapahan-kevitra manokana handrodana ny tsena vaovao etsy amin’ny Esplanade Analakely sy ny fanapahana ny fiaraha-miasa amin’ny fanofana tany ataon’ny haino aman-jery MBS eny Anosipatrana io. Niveri-maina anefa ireo mpanolontsaina TIM satria tsy tratra tao an-toerana ny Prefe. Nilaza ny sekretera nandray fa tsy afaka mamaly taratasy ny prefet fa tsy misy adiresy, hono, ny taratasy napetrak'izy ireo, ary efa novaliany tamin’ny haino aman-jery araka ny filazany tamin’ny sekreterany ny valin-teniny tokony nataony. Tsy firaharahiana anay izao, aleony manao valan-dresaka amin’ny mpanao gazety fa tsy mamaly anay,… hoy kosa ireo mpanolotsaina TIM. Tsotra kely satria azony atao tsara ny mamaly anay an-taratasy, ary izahay efa niteny fa haka ny valiny. Diso fanantenana izahay, tanàna iaraha-manana izy ity, ka tokony afaka mifanerasera tsara, hoy izy ireo. Tsiahivina fa nanome rariny ny ben’ny tanàna ny Prefe Jeneraly Ravelonirina Angelo Christian. Tsy sanatria manome rariny ny mpanolontsaina TIM, fa fangatahana an-taratasy no natao, valiny an-taratasy andrasana, saingy toa nivadika ho resa-jaza, raha dinihina amin’ny hoe tsy nisy adiresy ilay taratasy ka tsy nahafahana nandefa ny valiny. Raharaham-panjakana rahateo io, fa tsy kabary am-panambadiana, ka kabary no setriny. Mety hanan-danja amin’ny ankilany sy hanampiany ny dosie hoenti-miady ny taratasin’ny Prefe, saingy isan’ny fomba fiasa sy fomba fitantanan-draharaham-panjakana tsy natao tao anatin’ny 60 taona angamba izao.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.