Politique

Kaominina Talatamaty Nosantarina tamin’ny vavaka ny fankalazana ny 26 jona


  • Zoma 03 Jona 2022

Efa tafiditra tanteraka ao anatin’ny fankalazana ny fetim-pirenena 26 Jona ny kaominina Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo.

Vavaka iraisam-pinoana nentina nisaorana sy nanomezam-boninahitra an’Andriamanitra notanterahina tao amin’ny Eglizy Katolika Faralaza no nanohizana ny hetsika omaly hariva tamin’ny 03 ora folakandro izay nitondrana am-bavaka ny firenena ka niantsoana ny vahoaka rehetra. Nambaran’ny Ben’ny tanana Randrianoasy Elie Dominic fa betsaka ireo hetsika entin’ny kaominina Talatamaty hanamarihana ny fetim-pirenena amin’ity taona 2022 ity hamalifaliana ny vahoaka. Ankoatra ny matso lehibe sy ny fiaraha-misakafo izay hotanterahina ny datin’ny 26 Jona ho avy izao ao amin’ny kianja maintson’Amborompontsy mantsy dia hisy ireo karazana fifaninana hahafahan’ny tanora mandray anjara ka anisan’ireny ny Miss et Mister. Ireo tanora zazavavy sy zazalahy 15 ka hatramin’ny 25 taona no afaka mandray anjara amin’izany….Hisy ihany koa ny didim-poitra faobe sy ny tsenam-bokatra hampirantian’ireo tantsaha ao an-toerana ny vokatra vokariny hahafahana manohana sy manampy azy ireo.
Pati
Legende : Nandritra ny fonompoam-pivavahana teny amin’ny Ekar Faralaza
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT