Efa fotoanan’ny asa izao fa tsy kabary na ady lahy pôlitika intsony ho an’ny kaominina Talatamaty, tarihin’ny Ben’ny tanana Raharinoasy Dominique.
Nivoaka tamin’ny fahanginana ny tenany ny faran’ny herinandro teo namaly ny fitorian’ny kandida Ben’ny tanàna natolotry ny antoko IRD azy, mpifaninana taminy tao anatin’ity kaominina ity tamin’ny fifidianana Ben’ny tanana farany teo. “Aleo izy hanao izay hataony any” hoy ity Ben’ny tanana ity fa ny asa fampandrosoana entina hanasoavana ny vahoaka izao no tena mahamaika. Vita izay ny fametrahana tamim-pomba ôfisialy hoy izy, lalana iray hahafahana mivelatra sy mitondra mankany amin’ny fampandrosoana ny tanana amin’izay fa tsy honohono intsony. Mampanantena fiovana maro ho an’ny vahoakan’i Talatamaty izay nifidy azy araka izany ity Ben’ny tanana ity, izay tsiahivina hatrany fa natolotry ny antoko Tiako I Madagasikara. Anisan’ny asa efa natomboka moa raha tsiahivina ho an’ity kaominina ity ny fanalana ireo fako miparitaka eran-tany izay hametraka tetiandro isaky ny faritra sy ny fokontany mihitsy no fitandroana ny fahadiovana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.