Politique

Kaominina Ivato Betsaka ny asa vitan’ny Ben’ny tanàna ary mbola hotohizana


  • Talata 25 Jona 2019

Nivoaka tamin’ny fahanginany i Penjy Randrianarisoa Ben’ny tanànan’Ivato omaly manoloana ireo zava-bitany tao anatin’ny efa-taona nitondrany ny kaominina Ivato.

 

 

Tsy miandry ny ankatoky ny fotoam-pifidianana tahaka izao ny tenany raha ny nambarany vao manambitamby mpampianatra na maka ny fon’ny vahoaka fa efa niasa ary mbola hiasa hatrany. Anisan’ny asa vitany ny fanalana ireo fako nivangongo tao Ivato sy ny nahazoany fiarabe iray vaovao hitatitra izany. Nisy koa ny lalana mirefy 15 km natao rarivato sy tara ka voakasika avokoa ny tany anelakela-trano sy ny tany an-tanimbary. Tsy latsa-danja amin’ireo ny CSB II roa vaovao, ny tsena, ny fandraisan’ireo zokiolona ao Ivato vola fisotroan-dronono, ny EPP roa vaovao ao Antanambao sy Ilaivola,  ny tranompokonolona roa vaovao ihany koa ny fampidirana jiro sy rano, ny fanampiana ny mpampianatra…. Nomarihin’ingahy Ben’ny tanàna fa vola toy ny nampiasain’ireo mpitantana ny kaominina Ivato teo aloha ihany no nampiasainy nanaovana izany koa anjaran’ny vahoaka ny mitsara.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT