Tsy mbola misy Ben’ny tanana voafidim-bahoaka mitantana ny kaominina Faratsiho hatreto. Ben’ny tanàna mpisolo toerana no miezaka mampandeha ny raharaha ao an-toerana,
antony tsy hisian’ny asa fampandrosoana mandeha ao amin’ity kaominina ity mihitsy. Raha araka ny fanazavan’ity Ben’ny tanana mpisolo toerana ity mantsy dia betsaka ihany ireo mpamatsy vola sy mpiara-miombon’antoka tonga manatona sy te-hanohana ity kaominina ity saingy raha vantany vao fantatr’izy ireo kosa fa Ben’ny tanàna mpisolo toerana no mitantana ny tanana fa tsy voafidim-bahoaka dia mihemotra avokoa izy ireo. Tsiahivina moa fa fifandorana vokatry ny voka-pifidianana tamina Fokontany iray ka nampiakatra fitsarana ny raharaha no antony mbola tsy hisian’ny Ben’ny tanàna voafim-bahoaka ao Faratsiho hatramin’izao. Efa nanomboka tamin’ny taona 2019 no tsy nisy Ben’ny tanàna intsony tao an-toerana ka mandraka ankehitriny. Takian’ny mponina araka izany ny tokony hijeren’ny Fitondram-panjakana ny mikasika izany.
Pati
Legende : Mbola tsy manana Ben’ny tanana voafidim-bahoaka ny kaominina Faratsiho
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.