Efa miketrika ny fiatrehana ny fifidianana ho Ben’ny tanàna ny mpanao politika ao Antsirabe amin’izao fotoana. Totoafo ny fivoriana etsy sy eroa. Raha ny resaka mivoaka avy amin’ireny fivoriana ireny dia efa manodidina ny 13 ankehitriny no mety ho kandidà ho Ben’ny tanànan’Antsirabe I maniry ny handimby ny toeran-dRtoa Olga Ramalason izay tompon’ny toerana farany. Mpanao politika tsy zoviana amin’ny maro ao Antsirabe ny ankamaroan’izy ireo ary misy koa ireo kandida solombavambahoaka saingy tsy lany hiady ity toerana ity.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.