Nantsoina hivory izahay, ary mampihomehy na hamehana aza satria ao anatin’ny 24ora izahay no antsoina hivory.
Tsy izy mihitsy izany eo anatrehan’ny lalàna satria tokony ho 10 andro no efa eny am-pelantananay ny fiantsoana sy ny lahadinika kanefa omaly amin’ny 9ora izahay vao mahazo, hoy ny mpanolontsaina Kaominaly avy amin’ny Antoko Tiako I Madagasikara tamin’ny alalan-dRandrianjary Minomalala dit Papa Lala. Tsy mifanaraka amin’ny laharam-pahamehana eto Antananarivo ny zavatra hodinihina. Ny tokony ho laharam-pahamehana dia ny hoe ahoana ny fiainan’ny vahoaka eto an-dRenivohitra satria be dia be ny olona very asa toy ny mpivarotra sy ny avy amin’ny sehatra maro. Ahoana ny tokony hijerena an’ireny? Ny hita ao anatin’ny fandaharam-potoana anefa, dia fanazerana tsena, fanazerana trano, ka izany ve no maika eto amin’ny Tanànan’Antananarivo, hoy ireo Mpanolontsaina TIM. Mety misy ny tsy ara-dalàna fa azo atao aloha ny mampangina kely izany, fa rehefa miverina amin’ny laoniny dia azo atao daholo ny zava-drehetra. Na izy ireo aza misalasala tsy mahalala akory hoe ireto ilay zavatra ambara fa tsy ara-dalàna, hoy ny avy amin’ny TIM. Izahay dia milaza fa tsy hamehana eto Antananarivo ny fanjerena trano, ary hita mihitsy hoe halako bika tsy tiako tarehy no atao, hoy i Papa Lala. Milaza ny mbola haneho hevitra mahakasika ny fitantanana ireo fanampiana samihafa ny mpanolontsaina TIM.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.