Politique

Kaominina Antananarivo Raikitra ny fifanonganana…


  • Talata 06 Oktobra 2020

Mafampana eo anivon’ny Fiadidian’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA).

 

 

 Nametraka taratasy fangatahana fivoriana tsy ara-potoana ireo mpanolotsaina maro an’isa eo anivon’ny Kaominina Antananarivo ny 25 septambra teo, ka isan’ny mivoitra ny fanovana ny Birao maharitra ny Mpanolotsaina Monisipaly (CM). Amin’ity volana oktobra ity no angatahana an’io fivoriana io niantefa amin’ny Filohan’ny Filankevitra Monisipaly (PCM) Ralitera Andramparany, ary halefa handalo eny amin’ny Prefe ihany koa taorian’ny fanolorana azy ny birao. Ny fitanilana nataon’ny PCM tohanan’ny IRK no ambara fa isan’ny antony hanonganana azy. Mitsimbadika rahateo ny maro an’isa eo anivon’ny CM: 55 ny fitambarany ka ny 25 TIM, 25 IRK, 3 KOMBA, 02 tsy miankina (Lalatiana Ravololomanana,Tiana Laurence). Ny iray avy amin’ny Komba no tsy nanao sonia ny taratasy fanonganana ny Birao maharitra, ary miaraka amin’ny TIM kosa i Hilda Hasinjo Ravelonahiana sy Toavina Ralambomahay miampy an’i Clémence Raharinirina avy amin’ny IRK, izay manome 28. Miisa 27 ny manohana IRK dia IRK 24, Komba 01, Tsy miankina 02 (Lalatiana Ravololomanana, Tiana Laurence). Miara-dia amin’ny ben’ny tanàna i Lalatiana Ravololomanana, kanefa mahita ihany koa fa betsaka ny fomba fiasa sy mila ahitsy eo anivon’ny Mpanolotsaina Monisipaly, raha ny fanehoan-keviny. Maro ny tsy fitovian-kevitra teo anivon’ny CUA, toy ny resaka fitsipi-pifehezana momba ny fikoloana ara-pahasalamana, ny resaka fakana vola, tsena,… Misy tetikasa tena hita hoe tsy dia mety, kanefa tsy nekena ny fanovana. Nisy ny fandaharam-potoana nifanipahana, nilazan’ny Filohan’ny PCM fa tsy izy no nanao azy kanefa izy no Filoha eo, hoy i Toavina Ralambomahay.

FIFANAOVANA VAVA BE

 Ny herinandro lasa teo, nisy ny fanehoan-kevitra masiaka nataon’ny Ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina tamin’i Clémence Raharinirina, fa raha misy mpanolotsaina vonona hiara-hiasa dia vonona ny mpanatanteraka, ary raha misy vonona hiady dia ny ben’ny tanàna tsy mitsoaka ady. Mihenjana ny tady, ka dia andrasana izay ho tohiny.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT