Telo volana nitantanana ny tanànan’i Betafo ny Ben’ny tanàna Livasoa Randriatahinamalala.
Efa nanao tatitra ny asa vita ho an’ny vahoaka satria efa fanambiny hanaovana tatitra isaky ny 3 volana, ay manan-jo hahalala ny fitantanana ny tanànany ny vahoaka. Maro, hoy izy, ny asa vita na dia vao fotoana fohy aza no niasana, na mbola tao anaty fihibohana izay efa ho 2 volana izay ka nampihena ny fahafahana manao zavatra. Na dia eo aza ny mpanelingelina sy manao sakana ho amin’ny fampandrosoana ny tanàna, dia manao ny ainy tsy ho zavatra ny ben’ny tanàna. Nanala ny fako teo andrefan’ny CEG izay fako tena nitety Repoblika, ka in-45 niverina ny kamio nanaisotra izany, voaloko ny biraon’ny Communes, nizara boky “sujet types et corrigés “ hanampiana ny mpianatra hanala fanadinam-panjakana, CEPE,BEPC, BAC. Nametraka fombam-pitantanana vaovao ho fanatsarana ny fitantanan-draharaham-panjakana na “bonnes gouvernances”. Nisy ihany koa ny fanomezana solosaina roa sy “imprimentes” iray ho an’ny Kaominina ho fanatsarana ny asa amin’ny sora-piankohonana. Eo ihany koa mazava ho azy ny ady sy fisorohana ny COVID19, fanentanana ny olona amin’ny Radio isan’andro, fizarana arotava sy fanampiana ho an’ny Beantitra izay olona marefo, famendrahana ranom-panafody ny tsena sy ny sekoly rehetra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.