Efa olana nampifanolana ny mpiasan’ny Kaominina Toamasina sy ny ekipan’ny PDS teo aloha, ny mikasika ny fanodinkodinam-bola eo amin’ny vola fampiasa amin’ny solika.
Niteraka ny fitokonana izany ary nitarika ny fanoloana ireo ekipan’ny PDS teo aloha mihitsy. Ankehitriny dia miverina indray izany, hany ka tsy mandeha ny fanadiovana tanàna sy fanalana ny fako, maloto ny tanàna, mamofona maimbo eny amin’ireo tsena sy ny Fokontany maro ao Toamasina.
Raha ny loharanom-baovao dia zara fa misy ny tetibolan’ny Kaominina natokana ho an’ny solika. Mitentina 35 tapitrisa Ariary isam-bolana no voasoratra sy nampiasaina. Ny faran’ny volana oktobra teo anefa dia tsy nisy afa-tsy 5 tapitrisa Ariary sisa io tetibola io. Nisy noho izany ny fangatahana 100 tapitrisa Ariary, tetibola fanampiny naroson’ny mpitantam-bolan’ny Kaominina ireo mpanolotsaina, nodinihana sy nandraisana fanapahana ny talata sy ny alarobia ary ny alakamisy lasa teo, hampiasaina ao anatin’ny roa volana dia ny novambra sy ny desambra 2012. 55 tapitrisa Ariary ihany no nekena, miampy ilay 5 tapitrisa Ariary ambiny tamin’ny tetibolan’ny solika teo aloha. Araka ny fanadihadiana anefa, dia 20 tapitrisa Ariary isam-bolana, dia ampy hanadiovana ny tanànan’i Toamasina raha tsara tantana izany.
Ankoatra izay, araka ny fanadihadiana natao, dia lasantsy avokoa ny 2/3 ny solika alain’ny Kaominina amin’ireny tobin-tsolika ireny. Midika izany fa ny 1/3 ihany no gazoala izay tena fampiasa amin’ireo fitaovana fanalana fako sy famonjena hain-trano ary ireo fitaovana hafa. Mahagaga ihany (?)
Rakoutou
ENCADRE
Fantatra anefa fa hanampy ny Kaominina amin’ny fanadiovana ny tanàna ny tetikasa Ambatovy. Efa natomboka ny sabotsy teo ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta ary hitohy hatramin’ny volana janoary 2013, ka ny alatsinainy sy ny zoma Ambatovy no manala fako. Dia mbola atao inona izany ity vola be 60 tapitrisa Ariary hampiasaina ao anatin’ny roa volana nangatahana ity ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.