Fifidianana manakaiky vahoaka io, ary ny depiote ny dia hisolotena sy hitondra ny hetahetan’ny vahoaka eny amin’ny antenimiera.
Izaho depiote Voahangy tsy hanandrankandrana fotsiny. Efa depiote, ary mifanerasera amin’ny olona, manana traikefa, mahalala ny olana ifotony ety Atsimondrano, hoy ity kandida laharana faha-3 ity. Hanao tolo-dalàna sy hiady momba ny fananan-tany hanamorana ny fanoratana ny taniny amin’ny olona, fisitrahan’ny isan-tokantrano rano izay mampahory, fotodrafitrasam-pambolena, hisian’ny fandriampahalemana,… ary mbola nohamafisin’ny vahoaka tamiko izany, ka anjaranay ny manery ny fitondram-panjakana. Eo koa ny resaka lalana satria toa an’Andranonahoatra-Behenjy-Andohatanjona dia ny olona no manao tsipaipaika, ary efa nanaiky handrakotra tara ny minisiteran’ny asa vaventy. Tsy mivadika palitao sy tsy mamadika ny vahoaka, fa mitazona ny foto-kevitro hatramin’izay aho. Fifaninanana masina io, ka ny tenako no hasongadiko, ny zavatra vitako sy mbola hataoko no resahiko. Tsy manana olana amin’ny TIM izay antoko politika misy ahy aho, ary diniho fotsiny ny Boriborintany I ao Antananarivo, fa TIM sy ny DINIKE no miray lisitra. Rehefa tonga eny Tsimbazaza isika iray ihany, hoy i Voahangy Raharimanarivo. Diabe manerana an’Atsimondrano ny faradoboka ho azy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.