Miantso ny filoha handray fepetra haingana mifanaraka amin’ny tombontsoa ambonin’ny firenena ny KSMD na ny Kandida Solombavambahoaka Miara-dia, tarihin’ny filohany Rakotomalala Mamy.
Raha araka ny nambaran’izy ireo mantsy dia toa hifandroritana be ihany ankehitriny ity resaka fanendrena praiminisitra ity ka samy milaza ho manana ny marina avokoa ny tsirairay. Na izany aza anefa dia nanambarana ny KSMD fa tsy tokony hisy ny fanilikilihana ireo nitoto nahafotsy sy nahandro nahamasaka ny fitondrana. Eo an-danin’izay dia notsindrian’izy ireo ihany koa fa tokony hahay hifandefitra sy hiaraka hiasa ny rehetra mba ho tombontsoan’ny vahoaka maro an’isa. Tsara ny mampahatsiahy fa ny KSMD dia manohana ny filoha Hery Rajaonarimampianina izay mbola nohamafisiny omaly. Manerana ny Distrika 119 eto amin’ny Nosy no misy ireo mpikambana ao aminy raha 500 kosa izy ireo no mivondrona ankehitriny. Tsy lany tamin’ny fifidianana farany teo ny ankamaroan’izy ireo saingy na izany aza vonona ny hitondra ny traikefany hampandrosoana ny firenena kosa.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.