Politique

Kandida nanao sonia toky nomena Hampahafantarina amin’ny zoma


  • Alakamisy 09 Mey 2019

Natomboka ny talata 30 aprily ka hatramin’ny 4 mey 2019 teo tetsy amin’ny CFM Ampefiloha ny fanasoniavana ilay antsoina hoe “

 

 

 Toky nomena” na ny satan’ny fitondrantenan’ireo kandida ho depiote eto Analamanga. Toy ny tamin’ny fifidianana filoham-pirenena teo ihany dia niteraka adihevitra be hatrany ary naha ela ny fotoana mihitsy ny resaka sazy tokony ho azon’ireo izay tsy mankato ity sata ity. Raha fintinina moa ny valin-tenin’ireo mpikarakara dia hoe “sazy ara-moraly” no misy. Anisan’ny fanontaniana mipetraka anefa ny hoe sazy hafa aza tsy atahoran’ny ankamaroan’ny mpanao politika Malagasy ka maika fa izany ? Ho an-dry zareo avy eo anivon’ny antoko ABA dia resaka etika io. Ny fifanajana, noho izany, no zava-dehibe sy hampieritreretana ireo kandida hoe te ho depiote sahy sy vonona ary vanona ve izy ireo ? Ho an’ny kandidan’Ambohidratrimo, Jhonny Rakotoarisoa kosa dia antoka iray ahafahana mampitovy ny fahafahan’ny rehetra ho lany io. Ireo kandida hafa toy ny ao amin’ny boriborintany faharoa, Lanto Rakotomanga, moa izay tsy tonga nanao sonia dia nilaza fa efa misy ny lalàmpanorenana sy lalàm-pifidianana ka ampy ny fanarahana ireo fa ity sata ity toa hanenjehana olona fotsiny. Nilaza ny HCDD, izay rafitra mpanara-maso ny demokrasia fa  hanara-maso ny fanarahana ny toky nomena izy ireo ary hisy kosa ny sazy avy amin’izy ireo ho an’izay mandika izany na nanao sonia na tsia. Ny zoma izao no hampahafantarina etsy amin’ny CFM Ampefiloha ny totalin’ireo nanao sonia ity sata ity manerana ny nosy.

J. Mirija

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT