Nitsaha-niketrika toa sosoa voatapo-drano i Andry Rajoelina sy ireo mpomba azy nanoloana ny fanambarana nataon’i Johnnie Carson, Sekretera lefitra amerikanina misahana ny raharaha politika aty Afrika, izay namerina sy nanamafy tamin’ny teny mazava indray fa dia fanonganam-panjakana no nitranga teto Madagasikara tamin’ny 2009 niakaran’i Andry Rajoelina eo amin’ny fitondrana ary nisy miaramila nandray anjara sy nanampy azy tamin’izany.
Rehefa mpanongam-panjakana dia mpanongam-panjakana ! Hentitra ny Amerikanina amin’io, ary mitsipaka tanteraka ny filatsahan-kofidian’i Andry Rajoelina sy ireo izay niray tsikombakomba taminy tamin’iny fanonganam-panjakana iny.
Nitalaho mafy teo amin’ny pilopitran’ny Firenena Mikambana moa i Andry Rajoelina ny alarobia teo mba tsy hatao zanak’Ikalahafa fa tokony ho miralenta ny fandravonana ny disadisa amin’ny tany mandalo krizy. Nangataka koa izy ny mba tsy hitsabahan’ny firenena vahiny amin’ny raharaha anatin’i Madagasikara fa aleo, hoy izy, ho anjaran’ny Malagasy ny hisafidy malalaka izay olona heveriny hitondra ny fireneny. Asa moa raha hisy hihaino izy amin’izany. Ny zava-misy rahateo dia tsy mbola voafafa fa mitatao amin’i Andry Rajoelina ny sazy iraisam-pirenena tsy ahafahany milatsaka hofidiana, miaraka amin’ireo 109 iray lisitra taminy navoakan’ny CPS na ny Filankevitra momba ny fandriampahalemana sy ny fiarovana eo anivon’ny Vondrona Afikanina ny volana martsa 2010.
Na izany aza anefa dia nilaza ny Bekintana fa mety ho azo leferina ihany ny fandraisan’anjaran’ireo mpanao politika voasaringotra tamin’iny fanonganam-panjakana iny raha toa ka hita ny finiavana hanaja ny demokrasia. Demokrasia izay midika fa dia malalaka ny fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena tsirairay te hirotsaka amin’ny fifidianana, anisan’izany i Marc Ravalomanana. Voarakitra ao amin’ny tondrozotra rahateo io, tondrozotra izay eken’ny rehetra fa lalana tokana ahafahana mamoaka an’i Madagasikara amin’izao krizy izao. Miankina amin’ny fanatanterahana ny voalazan’io tondrozotra io koa anefa no hisian’ny famatsiam-bola ivelany hanohanana ny fanatanterahana ny fifidianana heverina fa hatao amin’ny 8 mey 2013, ho an’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana filoham-pirenena.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.