Politique

Kandida milaza tsy handray karama Lainga sy fitaka hakana fom-bahoaka…


  • Alatsinainy 20 Mey 2019

Nambaran’i Andry Rajoelina tamin’ny fampielezan-kevitry ny fifidianana filoham-pirenena fa “tsy handray karama aho rehefa tonga eo amin’ny fitondrana, fa homeko hanasoavana ny vahoaka”.

 

 

 Misy koa amin’izao fotoana ireo kandida milaza ny tsy handray karama, toy ny kandidam-panjakana any Mananjary. Tena tsy mitombina izany filoha mpiasam-panjakana ambony na depiote na ben’ny tanàna milaza sy manome toky tsy handray karama izany fa resaka abobo sy fakana fom-bahoaka fotsiny. Efa ao anaty tetibolam-panjakana ny karama, ny « bon de caisse » mivoaka isam-bolana, alaina eny amin’ny « perception » na ny « trésor » ny karama, ary ireo tonga dia miditra ao amin’ny kaonty amin’ny banky efa mandeha ho azy. Azony antoka ve hoe lasa aiza iny vola tsy noraisiny iny raha manaiky izany ny fanjakana ? Ny azo eritreretina dia raisiny ilay karama dia ataony fanomezana ho ana fikambanana na ny mitovitovy amin’izany. Efatra volana nitondrana izay ny filoha. Sahiny ve ny milaza fa tsy nandray karama izy ? Ireo depiote tohanany miezaka mandresy lahatra ny olona tsy handray karama kanefa mamafy volabe hanaovana propagandy. Nahoana no tsy tonga dia misehatra amin’ny asa sosialy dia hanaovana izany ny volabe fa tsy hividianana safidim-bahoaka ? Abobo hakana fom-bahoaka no betsaka !

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT