Kandidàm-panjakana ve sa kandidà manohana fanjakana ? Raha ny hevitra lah. 5 tamin` ny 28 martsa 2019 navoakan` ny HCC dia milaza fa afaka mitondra ny anarana ny Filoham-pirenena ny fivondrona antoko politika. Antony, jerena ny lalàna mifehy ny fifidianana amin` ny ankapobeany lah. 2018-008 dia tsy nanohitra izay.
Ny Lalàna momba ny fifidianana depiote lah. 2018-010 dia tsy manohitra izany fa milaza hoe azo raisina ny firotsahan-kofidiana raha misy antoko mitsangana ara dalàna manolotra izany. Tsy milaza izany ihany koa ny lalàna mifehy ny antoko politika lah. 2011-012. Manana tombony manokana aloha ireto kandidà solombavambahoaka manohana ny fitondrana. Araka ny voalazan`ny lalàmpanorenana ao amin`ny and. faha-69 dia mazava fa manara-maso ny asan`ny mpanatanteraka ny fahefam-pitsaràna. Ao anatin`izany no hametrahana ny fizaram-pahefana sy ny tsy fitanilan’ny fahefana. Raha hita fa misy fahefana tsy manara-dalàna dia tsy maintsy misy ny fandraisana andraikitra. Na depiote mpanohana ny fitondrana anefa, mazava ny lalàna fa ny depiote, na ny antoko manolotra solombavambahoaka na vondroana antoko manolotra solombavambahoaka dia tsy maintsy mijery ny fahefana mpanara-maso napetraky ny lalàmpanorenana ary mijery amin`ny maso tsy mitanila izay fampiharana ny fitantanana raharaham-panjakana. Ho vitan’izy ireo ve izany ?
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.