Maro amin’ireo kandida depiote teo aloha no manana dosie. Misy mihitsy aza moa ny nampidirina am-ponja vonjimaika toy ny kandida Leva na Raveloson Ludovic Adrien any amin’ny Distrikan’i Mahabo, Hasimpirenena Rasolomampionona, kandidan’ny IRD any Fandriana,…
Nisy ny vao nosamborina ny alin’ny nahavitan’ny fifidianana. Matetika mahamaika ny mpanao politika sy mpandraharaha lasa manao politika ny hiditra eny Tsimbazaza fa sady manampahefana no manana ilay “zo tsy azo samborina amin’ny fotoam-pivoriana” afa-tsy hoe tratra ambodiomby nandika lalàna ary mbola mila alalana avy amin’ny birao maharitra aza ny fisamborana sy fakana am-bavany azy ireo. Io fikatsahana fahefana sy fiarovana io no mahatonga ny sasany hivadika palitao efa in-telo, manao sakaizan’ny mpandresy satria ny hahazo toerana no tanjona. Efa tsy misy resaka etika izany intsony. Maro ihany koa ireo kandida depiote tena nampiasa vola be, vola avy aiza marina ? Vola tahiry manokana ve sa vola nindramina taman’olona sy nalaina tamin’ireo orinasa ao anatin’ny distrika misy ny tena ? Rehefa tsy lany tsy maintsy hamerim-bola miaraka amin’ny zanany. Raha tsy mahatafaverina eo dia hotorian’ny olona. Ny tena efa tsy manam-pahefana intsony, tonga dia misokatra midanadana ny varavaran’ny fonja. Ny tena loza dia mety ho vita hatreto ny fanaovana politika , indrindra fa ireo mpamadika palitao. Sady tsy tian’ny an-daniny no tsy ankafizin’ny an-kilany. Mety hohenjehina tsy ho ela ny kandida iray eny Atsimondrano noho ny resaka kolikoly, kandida iray any Mananjary, Manakara,… izay olon’ny fitondrana teo aloha ny ankamaroany saingy misy ny efa namadika palitao niaraka tamin’ny fanjakana Rajoelina.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.