Nivondrona ho iray ireo kandidà solombavambahoaka nilatsaka hofidiana tao Mahajanga I amin`ny tsy fankasitrahan`izy ireo ny tsy nety rehetra nandritra ny fifidianana.
Tafiditra tao ny lesoka sy fahadisoana tamin`ny fandrafetana lisi-pifidianana nampiasaina tamin`ny 27 mey lasa teo. Rehefa nosavaina ny anaran`ireo mpifidy, hoy ny mpitondra teny, dia nanjavona ny anaran`ny olona an’arivony. Nametraka fitoriana teny anivon`ny CENI izy ireo ary niantso ny mpomba azy hiara-dia aminy. Hivondrona hatramin`ny farany izy 13 mianadahy saingy nilaza fa tsy hihantsy ady fa miantso ny fandraisana andraikitry ny CENI manoloana ireo tandrevaka ka nahatonga ny fifidianana feno fimenomenomana maro tany Mahajanga.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.