Politique

Kandida Alain Ratsimbazafy -Atsimondrano Efa nahazo fiofanana manokana


  • Alatsinainy 15 Aprily 2019

Tokana ihany ny kandida solombavambahoaka hatolotry ny antoko Tiako I Madagasikara ho an’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano dia i Alain Ratsimbazafy, izay efa Ben’ny tanànan’Ambohijanaka

 

 

nandritra ny 12 taona ary tsy nivadika mihitsy tamin’ity antoko misy azy ity. Nampahafantarin’ny filoha nasionalin’ny antoko Tiako I Madagasikara Ravalomanana Marc tamim-pomba ofisialy tamin’ny vahoakan’Atsimondrano ny sabotsy teo ity kandidany ity teny amin’ny la piscine By-pass ka notsindriany mafy fa kandida efa nahazo fiofanana manokana i Alain Ratsimbazafy sy ny ekipany izay nampianarina mihitsy ary vonona ny hiady ho an’ny tombontsoam-bahoaka rehefa tonga eny Tsimbazaza fa tsy ho mpanangan-tanana fotsiny ihany. Nampianatra ny vahoaka momba ny mpanao lalàna sy ny mpanao lalàna ihany koa ny tenany nandritra izay ka mbola naveriny fa izy no hanao ny lalana rehefa amin’ny fotoana mahamety azy, izay tena mampijaly ny vahoaka Malagasy tokoa ankehitriny. Mpanao lalàna kosa i Alain Ratsimbazafy sy ny ekipany, hoy izy, hitondra avo ny anaram-boninahitry ny antoko Tiako I Madagasikara rehefa tonga eny Tsimbazaza ary hijoro marina hiaro ny tombontsoan’ireo vahoaka nifidy azy. Miantso ny vahoakan’Atsimondrano mba hahay hifidy izay olona tena vonona ny hitondra asa fampandrosoana marina araka izany ny filoha Ravalomanana, mba hisy fiantraikany amin’ny isam-baravarana izany no sady ho fampandrosoana ny firenena. Ho an’ny kandida Alain Ratsimbazafy kosa dia nambarany fa efa ela ny tenany no vonona ny hiantsoroka izany adidy mavesatra napetraky ny filoha Ravalomanana aminy izany. Na dia mahatratra 206 aza mantsy ireo fokontany mandrafitra ireo kaominina 26 ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano, misy mponina 1 tapitrisa sy mpifidy feno taona 350.000 isa dia nambarany fa hananany ny traikefa hoenti-miasa amin’izany ary saika namany avokoa ireo Ben’ny tanàna rehetra miara-miaina amin’ireo mponina ireo. Natomboka tamin’ny fotoam-pivavahana nanomezam-boninahitra an’Andriamanitra moa ny hetsika, fotoana iray izay nanehoan’ireo vahoakan’Atsimondrano ny firaisankinany sy ny fitiavany an’i Dada Ravalomanana ihany koa ka nilazan’ity filoha nasionalin’ny TIM ity fa mbola tena hafa ihany ny vahoakan’Atsimondrano amin’ny fitiavana sy ny fanohanana azy.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT