Politique

Kajikajy ara-pifidianana Ahiana hiverina ny hetsika 2018


  • Alarobia 03 Novambra 2021

Miditra tsikelikely amin’ny fanomanana fifidianana amin’ny 2023 isika. Samy miketrika ny politisianina sy ny Antoko politika samihafa. Mandeha ny fanomezana aina ny antoko sy ny kongresy samihafa.

 Samy manana ny paikadiny sy ny kajikajiny io, fa ny zava-dehibe aloha dia ny hoe: miomana. Etsy andaniny, efa mandeha ny tsikera samihafa manoloana ny mety ho paikady avo lenta ahafahana mibata fandresena amin’ny fomba rehetra. Niteraka adihevitra foana io hatrizay satria matetika manao na heverina ho manao izay fomba sy kajy ahafahana mifikitra amin’io fahefana io izay eo amin’ny Fitondrana. Mety ho amin’ny alalan’ny lalàna io, mety ho amin’ny alalan’ny rafitra mpikirakira fifidianana,… Tsiahivina fa izay lafin-javatra izay no nahatonga ny grevy notarihin’ireo nantsoina hoe: “Depioten’ny fanovana” tamin’ny taona 2018. Nidina an-dalam-be nanohitra ny heverina kajikajy ara-politika sy ara-pifidianana nataon’ny Antoko teo amin’ny Fitondrana, ka niara-dàlana teny an-kianja ny TIM sy ny IRD rehefa noho ny fahavalo politika niraisana. Niafara tamin’ny faharavan’ny governemanta, nampiova ny rafi-pitantanana, ka toa samy nanana ny kajiny avy hatrany avy eo ka toa izay nahazo ny rafitra sy toerana olona ambony miantsoroka mivantana na ankolaka ny fifidianana no tafavoaka nandresy avy eo. 2021 isika izao, saingy mandeha ny karazana ampamoaka sy fanehoan-kevitra, fa fisorohana ny krizy sy sakoroka no nanekena an’Atoa Andry Rajoelina ho lany ho Filoha. Nampitombo ny tsy fahamarinan-toeran’ny Fanjakana ny raharaha “doublon” noresahin’Atoa Thierry Rakotonarivo Filoha lefitry ny CENI teo aloha ny febroary 2020. Mbola ho endrika tsindry sy ny don-tandroka ohatran’ny tamin’ny 2018 ve no kasaina hoenti-mibata fandresena amin’ny 2023 sa mba hanaja tena toa ny nataon’Atoa Hery Rajaonarimampianina raha resy? Hanaiky mora fotsiny ny endrika isehoan’ny CENI izay efa misy milaza fa hanjakan’ny loko volomboasary ve ny herivelona politika mieritreritra handray anjara amin’ny fifidianana? Ahiana indray ny sakoroka sy fifanolanana goavana mialoha na aorian’ny fifidianana raha tsy mitandrina sy mifampihaino. Ny hafa mety hiteny fa ampy izay ny fandeferana manana ny rariny, ny hafa mety hiteny hoe: ampy izay ny don-tandroka fa hery samy manana, vola samy manana,… Asa hanao ahoana ny ho fandehany ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT