Mpikambana roa teo anivon’ny Kabinetran’ny Minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa (MESUPRES)no voafidy ho “ Commissaires ”,
Mpikambana ao amin’ny vaomiera misahana ny fifidianana-CENI. Tsy iza izany fa I Soava Andriamarotafika, mpanao gazety mpamakafaka ara-politika no ahafantaran’ny maro azy, izay ny holafitry ny mpanao gazety vaovao no nametraham-pitokisana aminy ka nifidy azy mba ho solontenan’izy ireo eo anivon’ny CENI. Ankoatra ny maha-mpanao gazety azy, mpikambana ao amin’ny kabinetran-dRamatoa Minisitry ny Fampianarana Ambony sy Fikarohana Ara-Tsiansa I Soava Andriamarotafika. « Administrateur Civil », mpahay toekarena na “économiste” kosa i Fidimiafy Roger Marc. Efa nisahana andraikitra maro izy mialohan’izao nisafidianan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana azy izao, hisolo tena ity andrim-panjakana ity eo anivon’ny CENI. Isan’ny andraikitra mbola sahaniny amin’izao fotoana izao ny maha-mpanolotsaina azy ao anatin’ny kabinetran’ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, hoy ny fampahafantarana. Noho izany, niarahaba azy mirahalahy, ary nirary soa sy fahombiazana amin’ny fanatontosana ny andraikitra nankinina amin’izy ireo ny ny Minisitra sy ny mpiara-miasa aminy akaiky ary ny fianakaviam-ben’ny Ministeran’ny Fampinarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.