Politique

Kabary faran’ny taonan’ny Filoha Sady handoka tena no mbola hampanantenana…


  • Alarobia 29 Desambra 2021

Efa manomboka mahazatra izy ity! Miandry fampanantenana vaovao indray ny mpanara-baovao raha maheno fa hisy ny kabaran’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, amin’ny 31 desambra izao.

 Raha ny lojika politika mpiseho amina firenena mandroso na miroso any amin’ny fampandrosoana dia tsy fotoanan’ny fampanantenana intsony izany herintaona mahery kely tsy hifaranan’ny taom-piasana izany. Tokony efa famaraparanana ny tetikasa nampanantenaina ho vitaina ao anatin’ilay fotoam-piasana aza. Ny hita tao anatin’ny 3 taona mahery anefa fampanantenana mitombo hatrany ary nampametra-panontaniana aza hoe mbola ao anatin’ilay IEM ve, ohatra, izany teleferika sy colisée izany? Inona ihany no tetikasa na programa ho ampiharina? IEM sa PEM sa PGE sa Plan Marshall sa velirano sa inona? Ahoana ihany ny mikasika ny Tanamasoandro sy ny Miami nefa inoana fa ho avy indray ny fampanantenana vaovao izao ity? Azo eritreretina ihany koa ny mety ho fitanisana ireo ambara fa zava-bita sy filazana ireo anton-javatra hanilihana ny rihitra sy ny tsy fahombiazana samihafa. Andrasana toy ny mahazatra indray aloha ny kabary faran’ny taona ho an’ity 2021 ity.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT