Politique

Kabarin’ny PM tao amin’ny ONU “Nampianay ireo orinasa, nahomby ny CVO…”


  • Alatsinainy 28 Septambra 2020

Ny sabotsy 26 septambra teo tokony ho tamin’ny 11ora alina tany ho any no niteny tao anatin’ny fivorian’ny Firenena Mikambana ny na ny ONU andiany faha-75 ny Praiminisitra Ntsay Christian.

 

 

 Nibahan-toerana ny resaka valanaretina covid-19 ka nitondrany hafatra firaisankiana sy fankaherezana ho an’ny vahoaka maneran-tany. Toy ny firesaka isan-tapa-bolana, dia noresahina ny famokarana ny CVO izay fanefitra nenti-paharazana nohatsaraina, vokatry ny fikarohan’ny IMRA, sady fisorohana no fitsaboana mahomby, hoy ny Praiminisitra. Miavaka amin’ny harena voajanahary rahareto i Madagasikara. Natomboka ny fotodrafitra goavana, toy indostrian’ny fanafody amin’ny alalan’ny fananganana ozinina lehibe mpamokatra io CVO io. 93% ny taham-pahasitranana, 216 ny namoy ny ainy ary 1,2% ny taham-pahafatesana. Nanomboka volana martsa nidiran’ny Covid 19 dia nambara fa nametraka ny paikady marolafy ara-toekarena, sosialy, tontolo iainana,... Asa goavara nametrahana ny Ivon-toeram-pibaikoana nasionaly (CCO) sy isam-paritra (CRCO), nanao kaomandina arotava maherin’ny 5 tapitrisa tamin’ny orinasa tsy miankina sy ny afaka haba. Ara-tsosialy, nanampy ny mponina sahirana, nanampy ny sehatra tsy miankina tamin’ny lafiny ara-ketra, nanome masomboly sy fitaovana ho an’ny tantsaha,…

 

FANJAKANA TAN-DALANA SY DEMOKRASIA

 Manenjika ny fahatarana amin’ny fandrosoana i Madagasikara ka isan’ny laharampahamahena ny fanamafisana ny ady amin’ny kolikoly indrindra fa amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana, manome antoka amin’ny fahaiza-mitantanana, hamafisina ny fahamarinan’ny ny fitsarana,… Fanajana ny tany tan-dalàna sy ny fampiroboroana demokrasia. Asa raha izany tokoa no miseho eto ? Manomana ny fifidianana loholona amin’ny desambra 2020 noho ny fahataperan’ny fe-potoana amin’ny janoary 2021. Eo anilanay hatrany ny Fianakaviambe iraisam-pirenena amin’ny fanamby goavana ara-pampandrosoana entin’i Madagasikara, ka isaorana, hoy ny Praiminisitra. Nambara fa manana ny fanamby goavana “Global post-covid” I Madagasikara. Tsy nisy resaka kosa na kely aza ny raharaha “îles Eparses”.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT