Fananganana fotodrafitrasa goavana sy tanàna vaovao no imasoan’ny Fanjakana ao anatin’ny taona 2021,
toy ny Tanàmasoandro hatsangana eny Imerintsiatosika afaka volana vitsy.Tanàna moderna, manaja tontolo iainana, hiasana, ahitana ireo biraom-panjakana maro, tanàna misy toerana fialamboly, parc d'attraction. Io no ambara fa handraisana ny lalaon’ny Nosy 2023. Hisy toerana manokana ho an'ny indostria, hoy ny Filoha. Ireny no hambara fa fampandrosoana goavana. Raha ny vina nentina tany am-boalohany, dia hitana ny 42% amin’ny harin-karena faobe eto amin’ny firenena ny tanàmasoandro. Ny jolay 2019 io no efa nolazaina fa vonona ny mpamatsy vola, saingy ny makety no niovaova hatreto. Ankoatra io, nambara fa mila hatsaraina sy havaozina tanteraka ny fitateram-bahoaka. Ho avy ny Tramway sy Trains urbains eto an-drenivohitra sy any Tanamasoandro, tohizana ny tetikasa Miami Toamasina, hisy “autoroute” mampitohy an' Antananarivo Ambatondrazaka Toamasina. Tsy vao izao ny Filoha Rajoelina no niresaka tramway fa ny 2007 fony ben’ny tanàna, ny 2010 nolazaina teny Mahamasina fa efa any anaty sambo ny tramway,… Ny jona 2020 nolazaina fa ho avy ny tramway ary hatsangana ny orinasa mpamokatra fiara. Ambara fa asiana “téléfériques” ihany koa eto Antananarivo, izay efa fampanantenan’ny ben’ny tanàna Atoa Naina Andriantsitohaina tamin’ny fampielezan-kevitra ka asa manao ahoana ny herinaratra eto Antananarivo? Efa vonona ve ny hoenti-manana amin’ireny asa goavana ambarany ireny sa fampanantenana drindrangilo toy ny teo aloha ihany? Tena hitombaka ve ny famatsiam-bola amin’io taona io eo anatrehan’ny zava-misy iraisam-pirenena? Sa hoboriboriana toy ny nambara ny 21 janoary 2020 hoe ao amin’ireo orinasam-panjakana no handroaka vola, toy ny ny CNaPS nambara fa manana 300 miliara ariary? Hanao ahoana ny fiainana ara-toekarena sy ara-tsosialy raha hatontona amin’ireo ny volantsika? Tena hisy ve ny fahagagana tsy ampoizina raha dinihina amin’izay fomba fiasa tao anatin’ny roa taona izay? Mbola mino hatrany ny ambaran’ny mpitondra ve ny vahoaka? Mbola resy lahatra amin’ny vina sy ambara fa fampandrosoana entiny ve ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.