Politique

Kabarin’ny filoha manaraka Azo sary an-tsaina sahady


  • Talata 19 Mey 2020

Efa hampoizina aloha izany fa mbola hiampy 15 andro indray izao 15 andro lalovantsika ato anaty ahamehana ara-pahasalamana eto Madagasikara izao. Fenitra rahateo ny hoe 90 andro eo no faharetan’izany ao amina firenena iray.

 

 Raha toy ireny vetivety ireny ny kabarin’ny filoham-pirenena hita farany dia efa azo sary an-tsaina sahady koa ny mety ho kabariny afaka tapa-bolana momba ity ady amin’ny COVID 19 eto Madagasikara ity hatrany. Toy ny efa mazava izany fa isan’ny tanjona aloha izany ny hampisotroana mangidy na tambavy CVO malagasy maro. Toy ny efa ezahana sisihana an-tsaina koa fa tsy maintsy hanetriketrika ny fankalazana ny faha 60 taonan’ny 26 jona ary handravaka izany raha ny sary hita ny fidradradradrana fa voafehy ny COVID 19 nohon’ny ezaka nataon’ny filoham-pirenena. Nanana finoana isika ka nivoaka mpandresy. Mety hisy toerana voatokana ho an’ireo nisotro Covid organics ka sitrana mihitsy aza angamba dia ho asaina mioraka kely ahitana fa ireny izy ireny. Takona hatreto ny momba sehatra tsy miankina sy ny sosialim-bahoaka tena izy. Sa ve mbola ho tezaina ela amin’ny tolotolotra toy ny vary mora sy ny vatsy tsinjo hatrany ?

J. Mirija 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT