Politique

K3F Manahy hetsi-bahoaka ho sarotra fehezina


  • Alakamisy 04 Jona 2020

Nanao fanambarana ny Komitin` ny Fahamarinana sy ny Fandriampahalemana ary Fiadanana (K3F) manoloana ny fiainam-pirenena.

 

Mahatsapa ny K3F fa tafiditra ao anaty fahantrana lalina ny Malagasy. Miha mahazo vahana sy mamono olona maro ny COVID-19 sy ny aretina hafa. Manampy trotraka ihany koa ny firongatry ny fahaverezan` asa sy ny tsy fandriampahalemana. Miharihary ny lesoka sy fahalemen` ny rafi-pitantana ny fanjakana. Tsy mifampatoky ny mpitondra sy ny vahoaka ka zary enta-mavesatra ny fepetra napetraky ny fanjakana hiadiana amin` ny valanaretina. Tsy ampy ny fandraisana andraikitra sy ny fahavononan` ny rehetra hampandroso marina ka fifanomezan-tsiny sy fanamarinan-tena no mahazo laka eo amin`ny sehatra rehetra. Miha lalina ny hantsana mampisaraka ny manan-katao sy ny ankamaroan` ny Malagasy. Mitady adinodino ny fiheverana ny ho avy sy ny fitsahana fampandrosoana marina eto amin` ny firenena. Miantso ny mpitondra, ny mpisehatra politika, ny mpisehatra ara-tsosialy sy ara-toekarena, ny firaisamonim-pirenena , ary ireo raiamandreny isan-tokony mba hifampihaino, hifampiresaka, ary hahay hifanome tanana ho fanavotana ny firenena. Manahy mantsy ny K3F fa izao fahasahiranana izao dia hitarika indray ho amin` ny hetsi-bahoaka sarotra fehezina ka hampiditra ny firenena anaty krizy lalina ara-tsosialy sy politika ary toekarena. Misokajy ho efatra lehibe ireo asa sy fepetra ho tanterahana dia ny ara-politika, ara-tsosialy, ny ara-toekarena ary ny fandaminana ny fitantanan-draharaham-panjakana raha ny sosokevitra ho fanarenana maika ny firenena.

 

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT