Politique

K3 F Miantso ireo mpanao politika tsy hanararaotra ny “coronavirus”


  • Alakamisy 02 Aprily 2020

Nitondra hafatra ho an’ny tompon’andraikitra eto amin’ny firenena sy ho an’ny olom-pirenena sy ny vahoaka ny Komitin'ny Fahamarinana sy Fandriampahalemana ary Fiadanana (K3F) manoloana izao loza mihatra

 

amin’ny firenena izao noho ny valan’aretina “coronavirus”. “Ekena tokoa fa sarotra ny mifehy ity fahavalo iombonan’izao tontolo izao ity ary tsy maintsy raisina ny fepetra hentitra raha toa ka te hiaro ny vahoaka tokoa isika. Andraikitry ny olom-pirenena tsy an-kanavaka araka izany ny manaja ireo fepetra ireo na dia sarotra sy mavesatra aza ny fiantraikan’izany amin’ny fiainan’ny isan-tokatrano” hoy ny K3F. Miantso ny fahendren` ny Malagasy rehetra ity komity ity amin’ny anaran’ny fihavanana Malagasy mba hifampitsinjo sy hifampihaino ary hifanampy. Manao antso avo koa ho an’ ny mpanao politika rehetra tsy an-kanavaka mba tsy hanararaotra izao zava-doza mahazo ny vahoaka izao, ka hanao entam-barotra ny fahoriam-bahoaka, na hanao sarimihetsika samihafa hikendrena tombontsoa politika. Ny fihetsika mahazatra ny mpanao politika toy izany mantsy (na ny eo amin’ny fitondrana, na ny mpanohitra) no mankaleo tanteraka ny vahoaka ka mahatonga azy ho mailo sy masiaka manoloana ny toe-draharaha manahirana iandrasambahaolana amin’ny rehetra. Mendrika hiaina ao anatin’ny Fahamarinana sy Fandriampahalemana ary Fiadanana ny malagasy koa manantena ny fandraisana andraikitry ny tsirairay sy ny fahatongavan-tsaina noho izao loza mihatra amin’ny firenena sy ny vahoaka izao. Mitaona ny vahoaka koa mba tsy ho roboka amin’ny fandrangitana mety hanimba aina sy fananana. Ampy izay ny ra latsaka sy aina hafoy ary ny faharavam-pananana mampahantra ny firenena. Ny fahantrana no fahavalo iombonantsika ambadik’izao voina izao, hoy hatrany ny K3F.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT