Tsara ny mandray andraikitra sy manao zavatra, hoy ny manampahaizana manokana momba ny fitantanana raharaham-panjakana, Julien Andriamorasata, naneho ny heviny mikasika ny fepetra vaovao noraisina momba ny hahamehana ara-pahasalamana amin’ity tapabolana manaraka ity.
Mila jerena foana anefa ny lahara-pahamehana. Miteny ianao izao hoe amin’ny 5 ora no mahazo miasa nefa inona no hodian’ireo mpiasa ireo? Tsy afaka handeha taxi izy. Tsy adala ny vahoaka fa mahafantatra hoe izao no vola voarainao tany amin’ny mpamatsy vola. Na omena isan-tokantrano ao anatin’ny 6 volana amin’iny aza ny tokantrano Malagasy tsirairay tsy lany iny, hoy hatrany izy. Izay no olana amin’ilay tsy mangaraharaha ka hoy aho hoe tsy ho zaraina fanampiana 1 sy 2 andro dia tsy misy hohanina indray avy eo ilay vahoaka fa mila politika sy tetikady matotra tsara iainan’ny vahoaka amin’izao. Ny tokony laharam-pahamehana izao dia ny fandriampahalemana ara-tsakafo, ny ady amin’ity aretina ity, ny fambolena sy famoahana ny vokatra any ambanivohitra fa tsy “fly over” na kianja sentetika sy ny atsy Mahamasina. Tsarabe raha tratra ny PIC saingy tsy hijanona eo akory ny krizy ara-tsosialy. 46%n’ny sehatra tsy miankina ankehitriny, hoy ny EDBM, izao no mikatona, izany hoe lasa misy tsy an’asa izany amin’ireo, hoy hatrany i Julien Andriamorasata.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.