Politique

Julien Andriamorasata “Afaka adidy ny mpanohitra!”


  • Alarobia 08 Jona 2022

Fotoanan’ny fikaonan-doham-pirenena izao ary tsy amin’ny maha birao politikan’ny antoko politika Tiako I Madagasikara no hiresahako eto fa amin’ny maha olom-pirenena mihitsy hoe tokony atao ilay izy,

hoy ny manam-pahaizana manokana momba ny fitantanan-draharaham-panjakana, Julien Andriamorasata. Ny filoha Ravalomanana no isany niteny voalohany hoe tokony atao io, hoy izy. Tsy tokony hifanilika. Ny fotoana toy izao no tena ilana an’io satria efa misy izao ny krizy politika, ekonomika, sosialy. Rahoviana indray ary io no atao rehefa tsy izao? Miangavy ny FFKM ny ato amin’ny mpanohitra. Tsy hita izay vokany. Miangavy ny fitondram-panjakana. Tsy hita izay vokany. Mampirisika ny mpanohitra aho. Ataovy! Anjaran’ny mpanohitra no manao fikaonan-doham-pirenena. Efa latsaka an-katerena ny firenena fa alefaso ilay izy dia avoahy ny fehin-kevitra. Tsy misy atahorana izany. Miresaka tsara amin’ny fianakaviam-be iraisam-pirenena. Tambatambazana foana ve vao hanao fikaonan-doham-pirenena? Anaty krizy isika izao. Zava-doza no hahazo ity firenena ity raha mbola tsy hisy vahaolana atsy ho atsy. Lazaina fa noho ny ady ao Ukraine sy ny Covid no mahatonga ilay fidanganan’ny vidim-piainana. Talohan’izany no efa nidangana ny vidim-piainana teto Madagasikara. Hatramin’izao ny harinkarena mbola miiba. Tokony handraisan’ny rehetra anjara ny fikaonan-doham-pirenena nefa hiandry firy taona vao ho tonga amin’izay? Afaka adidy ny mpanohitra! Miandry fikaonan-doham-pirenena ny vahoaka Malagasy. Tokony ho tompon’andraikitra daholo na fanjakana na mpanohitra na FFKM. Izay tonga no aoka haka fanapahan-kevitra. Na iza mandray anjara sy tsy mandray anjara dia efa hisy fehin-kevitra io aloha, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT