Politique

Joseph Yoland “Tsy misy zavatra mandeha ao Nosy be”


  • Alakamisy 26 Novambra 2020

Tsy misy zavatra mandeha ao Nosy be amin’izao fotoana izao, hoy ny mpandraharaha ao an-toerana, Joseph Yoland.

 

 

 Eo ny aretina fa eo koa ny tsy fahaiza-mitantana ny firenena. Nomena vahiny daholo ny tany ary tsy misy tonga ny mpizahantany. Mikatona hatramin’izao ny hotely lehibe indrindra. Matahotra ny ho eto ireo mpizahantany satria mbola tsy voafehintsika ity aretina ity. Ny olana dia tsy mametraka ny rafitra mety tokony hitantanana ny firenena ny mpitondra ka na i Nosy be izay tokony ho “première destination touristique de l’ocean indien” aza dia zary “première destination touristique de Madagascar” fotsiny. Izao ilay izy lasan’i Maorisy nefa izany Maorisy izany tsy nisy zavatra niriantsika tany taloha. Tsy haintsika ny mametraka ny politika ekonomika tokony hitantanana ilay sehatra. Fantatra fa misy fanamboarana hotely ao izao saingy ny tena ilaina dia ny fahaizantsika mitantana ny politika ekonomika sy fitantanam-bola, hoy hatrany ny tenany.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT