Politique

Joseph Yoland “Mila ovaina ny raikipohy teren’ny mpanjanaka ampiharina eto”


  • Zoma 10 Jona 2022

Efa nanao ilay hoe “Refondation du système pour le réel développement de Madagascar” ny tenako fony mbola CST, hoy ny mpanao politika, Joseph Yoland.

Nojerena araka izany, hoy izy, hoe inona no raikipohy hahafahana mampandroso marina ity firenena ity. Firenena nozanahana ity dia mila jerena izay. Tsy resaka fahaleovantena ara-tsakafo ihany na fanarenana ny lisipifidianana. Ireo harenantsika ireo tsy tokony alefa mivoaboaka any ivelany. Alefa mandehandeha fahatany any hatramin’izay ka hatramin’izao anefa ny volamena. Nanafatra mpampianatra avy amina oniversite maro ho tonga teto ny tena tamin’izany. Nisy ny fehinkevitra nivoaka tamin’izany izay nosoniavin’ireo mpikamban’ny CST miisa 135 amin’ny 150 tamin’izany. Tsy nanatrika fotsiny no antony tsy nahazoana ny sonian’ireo 15 ambiny. Mila ovaina ny raikipohy teren’ny mpanjanaka ampiharina eto. Izany fikaonandoham-pirenena izany dia tokony hakana ny hevitry ny olom-pirenena rehetra, hoy hatrany ity mpanao politika ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT